Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fanofanana voalohany ho an’ireo mpitsara baolina kitra any amin’ny faritr’Ihorombe. Nahatratra 20 mianadahy ireo nandray ny fampianarana tany an-toerana. Tsara marihina fa ny DRA Ihosy sy ny ligin’Ihorombe no nikarakara ity hetsika ity.
Nifarana ny sabotsy teo, tao Antsirabe, ny “Football for School”, nokarakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra. Hetsika fampiofanana ireo mpanabe eny anivon’ny sekoly manerana ny faritra eto Madagasikara. Tsiahivina fa ireo faritra tsy mbola nisitraka ny fiofanana no nandray anjara tamin’ity.
Araka ny vaovao mandeha tanaty tambajotran-tserasera omaly, efa nosoniavin’i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra, ny taratasy fifanarahana eo aminy sy ny klioba Real Madrid Espagne. Marihina fa hifarana amin’ny volana jona ho avy izao ny fiarahan’i Mbappé sy ny Paris Saint Germain, klioba frantsay.
Hotanterahina anio ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions », taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ ny maro ny fihaonana eo amin’ny Inter Milan Italie sy ny Athletico Madrid. Ankoatra izay, handray ny Dortmund Allemagne ny ekipan’ny PSV Eindhoven, Pays-Bas.