TARATRY ny KANTO

Hampahafantarina i Andry Elrà. Izy indray no nosafidian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, mandritra ny “Sehatry ny mpanoratra” amin’ity volana ity. Poeta sy mpanoratra ary mpanao gazety avy any amin’ny Faritra Itasy i Andry Elrà. Maromaro ireo hetsika hampahalalana azy sy ny asa sorany mandritra izany.
“Ho aiza”? Fampirantiana ny asa soratr’i Esther R Randriamamonjy. Hetsika hotanterahina ao amin’ny Tranomboky Monisipaly etsy Analakely, ny 23 febroary izao hatramin’ny 7 marsa. Hisokatra amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva ny ranty. Marihina fa 67 taona nanoratana i Esther Randria­mamonjy. Boky mirakitra fitaizana ny ankizy, toy ny angano, no anisan’ny nahafantarana azy.
Hotontosaina ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, rahampitso, ny vela-piainana, nampitondraina ny lohateny hoe “Fitia Ambaratelo”. Hetsika karakarain’ny Faribolana Sandratra, iarahana amin’i Maneho sy Ratsifa. Ny fiainana soratra sy ny fitiavana iainana. Io no havoitran’ireto mpahay kanto ireto mandritra izany.
Nanomboka ny 18 febroary hatramin’ny 9 marsa 2024, any New Delhi sy Mumbai, Inde, ny fifaninanana “Miss World Festival”, andiany faha-71. Manana solontena amin’izany isika Malagasy amin’ny alalan-dRajoelina Antsaly. Ankoatra ny endrika amam-bika, hitsarana ny mpifaninana koa ny tetikasany mahakasika ny fiarovana ny zon’ny ankizy isaky ny fireneny.

Partager sur: