Tontolo iainana : hamboly hazo any Andramasina ny Manda

Hamboly hazo ny fikambanana ivondronan’ny mpianatry ny oniversite miankina na tsia amin’ny fanjakana avy any amin’iny distrikan’Andra­masi­na na Manda. Hotanterahina ny sabotsy izao, any Andra­masina, izany. Hiara-dalana amin’izany koa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao eo amin’ny mpikambana sady fitsangatsanganana rahateo, ao amin’ny espace Viser loin Andramasina. «Tanjon’ny fi­kambanana ny hampiray ireo mpianatra rehetra zanaky ny distrika avy any amin’ireo kaominina miisa 14», hoy ny filohan’ny Manda, i Setra Houl­der.

Tsiahivina fa anisan’ny hetsika efa vitan’ny Manda ho an’ny taona 2022 ny fampihaonana voalohany ireo mpilalao baolina kitra, lahy sy vavy, eo anivon’ny fikambanana. Teo koa ireo lalao ara-pirahalahiana natao tamin’ny ekipa na mpianatra avy any amin’ny distrika hafa. Ny fihaonana sy fialamboly natao teny Malaza ho an’ny taona 2023 ary ny hetsika indroa miantoana natao tamin’ireo kaominina maromaro any amin’io distrika io. Natao hanampiana sy hanomezana torolalana ho an’ireo mpianatra zandry aty aoriana handranto fianarana amin’ny ambaratonga ambony ireny. «Hotohizana izany hetsika izany amin’ny alalan’ny fampiofanana samihafa, ahazoana mari-pankasitrahana», hoy hatrany ny filohan’ny Manda.

Lin

Partager sur: