Tsena iraisam-pirenena: miisa enina ireo orinasa nahazo alalana hanondrana volamena

Miverina misokatra ny fanondranana volamena mankany ivelany rehefa niato nandritra ny efa-taona. Hentitra ny fanaraha-maso sy ny fepetra takina amin’ ny fandraharahana

Fantatra avokoa ireo orinasa nahazo alalana hanondrana volamena mankany ivelany. Miisa enina izy ireo izay miparitaka manerana an’i Madagasikara. Naseho ampahibemaso teny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato, omaly, ny pitsompitsony manodidina ny fanondrana volamena. Nisantarana izany ireo volamena 2 kilao naondran’ilay orinasa nahazo fahazoan-dalana tamin’ny filankevitry ny minisitra, volana vitsy lasa izay. Mampiasa fitaovana harifomba sy mandala antanan-tohatra maro ny volamena mialoha ny hamonosana azy. Tafiditra ao anatin’izany ny “titrage” sy ny fandan­jana ary ny fametrahana tomboka lohan’omby, mari-pamantarana ny “label Madagasikara”. “Voarakitra ao anatina tahiry (code QR) ireo antotan-kevitra ireo mba tsy hahavery azy mialohan’ny hanondranana atao”, hoy ny minisitry ny Harena
an-kibon’ny tany, Rakotomalala Olivier, nandritra ny fanoka­fana ny fanondranana volamena, omaly. Ankehitriny, manara-dalàna ny fanondranana avy eto Ma­dagasikara rehefa niato na­nomboka ny volana septambra 2020. Zava-dehibe ho an’ ny firenena ny fisokafan’ny fa­nondranana volamena amin’ny fomba ofisialy toy izao, hoy hatrany ny minisitra.
Maro, hoy izy, ny mpanondrana ny vokatra antsokosoko ka hiantsoana azy ireo hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna.

Malalaka

Miondrana any Dubai sy Inde avokoa ny ankamaroan’ny volamena avy eto Madagasikara. Malalaka ny fanondranana ho an’ny mpandraharaha. Tsy manana fahefana amin’ny toerana hamarotana ny volamena ny fitondram-panjakana. Takina amin’ny orinasa mpanondrana ny voalaza rehetra ao anatin’ny bokin’andraikitra. Voalohany amin’izany ny fampodiana ny vola vahiny (rapatriement de devise), ny tamberim-bidy. Mila manaja izany ny mpanondrana raha toa ka te hanohy ny fandraharahany. Fantatra fa miondrana any Dubai avokoa ny 98%-n’ny volamena avy eto Madagasikara. Misy ihany koa ireo amidy any Inde. Ankehitriny, tanjon’ny minisitera ny hanondranan’i Madagasikara volamena 15 taonina isan-taona.

Henintsoa Hani

Partager sur: