VAOVAO TAMBATRA

Tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena hatramin’ny voalohan’ny taona 2024 . Ankehitriny, efa latsaky ny 16 000 dolara ny 1 taonina, araka ny tatitra navokan’ny London Metal Exchange (LME). Samy miatrika izao krizy izao ny fire­nena rehetra maneran-tany, anisan’izany i Madagasikara.

Hiara-hiasa i Madagasikara sy Egypte amin’ny fambolena “dates” any atsimo. Manodidina ny 10ha ny tany hanaovana fanandramana. Misy ihany koa ny fifanarahana hanamora ny fahazoan’ny tantsaha masomboly sy zezika. Vonona hanangana ozinina mpamokatra zezika eto Madagasikara ihany koa ireo mpikambana eo amin’ ny sehatra tsy miankina any Egypte.

Vinavinaina ny hisian’ny tetikasa hamokatra trondro 5 ka hatramin’ny 10 tapitrisa taonina isan-taona ao Ambilobe. Hatsangana ny fotodrafitrasa fiompiana trondro “zone d’émergence piscicole” ao Antani­mihavotra, kaominina Mantaly. Dobon-trondro miisa 35 no hatsangana amina toerana mirefy 2,85 ha. Hihena ny fanafarana zana-trondro any Mahajanaga aorian’ny fanatanterahana ny tetikasa.

Partager sur: