Tontosaina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny 21 sy 24 febroary 2024, ny “Variations”. Mpahay kanto maro samihafa no hiandraikitra ny fanatontosana izany, mandritra ireo fotoana ireo. Mandray anjara amin’izany Mose Njo, Elie Ramanankavana, Hary Rabary, Kemba Ranavela ary i Njaka Rakotonirainy. Handravaka ity hetsika ity ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Pierre Ducrozet sy Nina Léger, Frantsay mpahay kanto. Tanjona ny hampivelatra ny haikanto sy ny mpahay kanto. Eo ihany koa ny fampitomboana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpahay kanto mandray anjara sy ny mpankafy.
Ambohimpihaonan’ny fianakaviamben’ny mpankafy haikanto, indrindra ny literatiora, ny eny amin’ny IFM, mandritra ny « Variations ». Ho hita amin’izany ny hetsika « Ditephilo », hiresahana ny mahakasika ny asa soratra ankehitriny, iarahana amin’i Mose Njo, Elie Ramanankavana, Pierre Ducrozet, Nina Léger ary i Hary Rabary, ny 21 febroary 2024. Ho an’ny andron’ny 24 febroary kosa, ao anatin’ny « Conversation littéraire » no iresahana ny boky “Variations de Paul” sy ny “Antipolis”, izay hoentanin’i Kemba Ravelo. Faranana amin’ny « Création originale », iresahana manokana momba ny mozika, iarahana amin’i Njaka Rakotonirainy sy Pierre Ducrozet ary Nina Léger ny hetsika.
Lin