Voasambotry ny mpitandro filaminana ny ramatoa iray mpivarotra rongony tao amin’ny fokontany Maevarano, kaominina Ankazomborona, distrikan’i Marovoay, afakomaly. Naharay fampahafantarana avy amin’ny tsara sitrapo ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa manaparitaka rongony ary mivelona amin’ny alalan’ny famarotana io karazan-java-mahadomelina manimba tanora io ilay ramatoa. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy marina ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tao amin’ilay ramatoa voalaza tokoa ny rongony amin’ny fatorana. Nitotaly 8 kilao io zava-mahadomelina io. Notanana hatao famotorana ilay mpivarotra.
Tsiferana R.