Ahina ho novonoina : Razana nizara roa, tao anaty kirihitra

Razana nitapaka roa, efa noviravirain’ny amboa, no hita tao anaty kirihitra tetsy Ambohimiandra, omaly maraina. Ny nifiny sy ny akanjony no nahafantaran’ny havany azy.

Nizara roa ny vatan’ny lehilahy iray, ahina ho nisy namono. Hitan’ny fokonolona tetsy Ambohimian­dra, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 8 ora, ny razana efa simba. Naha­tsikaritra zavatra hafahafa teo amin’ny kianja filalavaom-baolina ny mpandalo maraina. Namoaka fofona ratsy rahateo izany. “Efa niparitaka tety amin’ny faritra taza-maso ny tapana ambony”, hoy ny fanazavan’i Hanitriniala Soanambinina, nanatri-maso.
Tavela tao anaty kirihitra tsy lavitra teo ny tapany amba­ny tamin’ilay razana. Niezaka nitily sy nijery ny razana ireo manodidina. “Tsy mponina anatin’ny fokontany izy raha ny fijerinay azy sady tsy nisy namantarana azy in­tsony”, hoy hatrany izy ireo. Nijery ifotony ny toe-draharaha ny mpitandro filaminana miasa eny an-toerana sy ny tomponandraikitra.
Tapa-bolana…

Ny nifin’ilay lehilahy sy ny akanjo nanaovany no hany sisa nahalalan’ny fianakaviany azy. “Efa tsy hita nandritra ny tapa-bolana izy”, araka ny loharanom-baovao. Niezaka nitady azy hatrany ny havany saingy tsy nahitam-bokany izany. No­hamafisin’izy ireo kosa anefa fa toerana fandalovany matetika fony fahavelony eny amin’ny manodidina an’Ambohimian­dra. Tsy fantatra hatramin’izao ny antony nahafaty azy. Man­dray an-tanana ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nentin’ny mpiasan’ny fahasalamana nihazo ny tranom-paty eny amin’ny HJRA ny razana.
Tsiahivina, mbola tsy hita ny fianakavian’ilay lehilahy hita faty teny amin’ny ranon’Ikopa, Ambohitrimanjaka, ny faran’ny herinandro teo. Tapa-doha io lehilahy io. Ny vantany izay mbola eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA.

Tsiferana R.

Partager sur: