Hotanterahina ny 28 sy 29 febroary ary hitohy ny 1 marsa ny fanamarihana ny Andron’ ny sekoly manerana ny Nosy. “Sekoly ivon’ny fiarahamonina, mpianatra vonona sy vanona ho amin’ny fandrosoana lovainjafy”. Io no lohahevitra voizina mandritra ny 3 andron’ny hetsika.
Fotoana hanentanana ny mpianatra hamboly hazo sy hanazavana amin’izy ireo ny maha zava-dehibe ny fambolen-kazo ny fotoana.
Ampirisihina hamboly hazo eny an-tokotanin-tsekoly ny mpianatra miaraka amin’ny mpampianatra. Hazo fihinam-boa no tena handrakotra izany.
Hisy koa ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina izay ifarimbonan’ny samy mpianatra eny anivon’ny sekoly.
Omaly, nanome modely tamin’ity fambolen-kazo an-tsekoly ity, teny amin’ny CEG Alasora, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. “Fambolen-kazo manarina ny tontolo iainana, mamelona aina” no lohahevitry ny fitsidihana natao. Mpianatra iray, zanakazo iray no tanjona.
Nanamafy ny minisitra roa tonta fa tsy afa-misaraka ny fanabeazana sy ny tontolo iainana ary ny tanora dia herivelona sy tompon’andraikitra feno amin’ny fiarovana izany. Fotoana hanairana ny sain’ny mpianatra fa zava-doza ny fanapotehana ala amin’ny alalan’ny doro tanety satria lasa sarotra ny fanarenana ny tontolo iainana avy eo.
Tatiana A