Boriborintany fahatelo : mitohy ny asa fanadiovana

Mitohy ny asa fanadiovana hiarahan’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Mponina. Fokontany telo, ao amin’ny boriborintany fahatelo, no nanaovana ny asa sandaina sakafo, ka olona 205 no manao ny asa. Fokontany Ankazomanga Andraharo, eo amin’ny Canal C3 hatreny Andraharo, fanalana fako sy tsinkafona no atao ka olona 100 no miasa haharitra dimy andro. Fokontany Ankorondrano Andranomahery, manomboka eo amin’ny lakandranon’ Andriantany, mirefy 150m, olona 30 manatanteraka ny asa mandritra ny hateloana. Fokontany Ankorondrano Atsinanana, mikarakara tatatra mirefy 735m, sahanin’ny olona 75, hovitaina ao anatin’ny efatra andro.
Tena sahirana ara-pivelomana ireo olona 205 manao ny asa sandaina sakafo isan’andro ireo. Mahazo vary 2,5 kg sy voamaina 0,5 kg ary menaka 0,25 l isan’andro izy ireo. Mbola hitohy amin’ny fokontany sy boriborintany hafa ny asa ao anatin’ny rano miakatra. Maro ny tokantrano sahirana satria tafiditra hatrany an-trano ny rano fa tsy mikoriana vokatry ny faha­tsentsenan’ny lakandrano.

Vonjy

Partager sur: