Famokarana zezika : miroso amin’ny dinika ireo mpiara-miombon’antoka

Hiantoka ny fampiroboroboana ny famokarana ny fananganana orinasa mpamokatra zezika, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ankehitriny, miroso amin’ny dinika ho fantanterahana ny tetikasa ireo mpisehatra.

Fanamby apetrak’i Mada­gasikara ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Vina apetraky ny fi­tondram-panjakana ny hanangana orinasa mpamokatra ze­zika hampihenana ny fanafarana any ivelany ary ho fanamorana ny fahazoan’ny tan­tsaha misitraka izany. Nisy ny dinika niarahan’ny minisite­ran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ireo mpisehatra mpi­ara-miombon’antoka, vovonana, sehatra tsy miankina, anatin’ny fihariana zezika, omaly, teny Anosy. Boeny, Sofia, Alaotra Mangoro, Analaman­ga, Amoron’i Mania ary Atsi­na­nana no faritra hametrahana ny ozinina. Mbola miankina amin’ny zezika NPK, 70 000 t, sy zezika organika 500 000 t ny filàn’i Madaga­sikara enti-mamokatra. Ken­drena, noho izany, ny hampiakatra izany ho 192 000 t, NPK, ary 1 000 000 t, organika, ha­tramin’ny taona 2028. Fanta­tra fa mbola ambany, 12% monja ny fanjifana zezika eto amintsika.

Famokarana
Miantoka ny 70% ny asa rehetra eto Madagasikara ny fambolena. Ho tratrantsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo raha toa ka mitombo 25% ny famokaram-bary, izany hoe, miampy 1 tapitrisa t isan-taona. Ilaina ny fampitomboana ny velaran-tany ambolena vary hatrany amin’ny 100 000 ha fanampiny, izay fitrandrahana ara-indostrialy. Afaka hitombo 1 ka hatramin’ny 2% ny tahan’ny harinkarena faobe raha toa ka mitombo 5% ny tahan’ny harinkarena eo amin’ ny fambolena, indrindra ny vary. Noho izany, hihena ha­trany amin’ny 14% ny tahan’ny fahantrana eto Madaga­sikara. Mila hampiroboroboana ny fampiasana ny fomba fambolena sy ny famokaram-bary, hiantohana ny fisitrahan’ ny mpamboly ny zezika sy ny masomboly. Tafiditra ao anatin’izany ny fiantohana ny fizarana karatany ho an’ny tantsaha, hamoraina ny fahazoana famatsiam-bola madinika sy ny fanatsarana ny tsenam-barotra ara-pambolena.

Henintsoa Hani

Partager sur: