Nitsidika ireo tolotra ara-pahasalamana ho an’ny traboina vokatry ny fiakaran’ny rano nandritra ny rotsakorana naharitra teto an-dRenivohitra ny delegasion’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny fokontany Andrefan’i Mananjara, boriborintany fahefatra, no notsidihina niaraka tamin’ny profesora Randriamanantany Zely Arivelo.
Nidina ifotony nijery ny zava-misy ary nanolotra fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo tokantrano tra-doza miisa 489, ahitana olona 2 448, ao anatin’ny fokontany dimy, kaominina ambonivohitr’i Fenoarivo Atsinanana, ny tale jeneralin’ny BNGRC sy ny tomponandraikitra samihafa. Ao amin’ny tranompokonolona ao an-toerana izy ireo no mitoby vokatry ny ranobe.
Ny skoto rehetra eny anivon’ny birao sy ny toeram-pianarana dia afaka manao fanamiana maha skoto, rahampitso, mandritra ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny skotisma eto Madagasikara. Raha misy kosa ny lamina manokana avy amin’ny sekoly dia manaraka izany ny tsirairay. Io no nambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Araka ny fampahafantarana nataon’ny tomponandraikitry ny fanabeazana any amin’ny Dren Atsinanana dia miverina mianatra ny mpianatra. Efa mihatsara ny toetry ny andro ary efa midina ny rano ka miverina an-tsekoly avokoa ny mpianatra anatin’ny Cisco 7 ao an-toerana.