Nanapaka ny mpitsara avy amin’ny Crown Court Southwark, fitsarana anglisy, omaly, fa voaheloka noho ny kolikoly nataony Andrianarisoa Romy Voos, talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha. Raha tsiahivina, fakana vola sy fandraisana anjara 5% amin’ny fitrandrahana hotanterahin’ny orinasa Gemfields eto Madagasikara no antontan-taratasin’ady niampangana azy. Ny 10 aogositra 2023 izy no voasambotra, ary nanomboka ny 6 febroary 2024 ny fitsarana azy mahakasika ity raharaha ity. Andrasana amin’ny fotoam-pitsarana, ny 18 marsa 2024 izao, ny saziny.
Nanda ho tsy nanao izany kolikoly izany anefa izy, nandritra ny fotoam-pitsarana azy sy ny fihainoana ny fiarovan-tenany, ny 14 febroary 2024. Nisy ny fandinihana ny fifanakalozana an-tambajotran-tserasera sy ny firaketana antsokosoko ny fihaonana teo amin’Andrianarisoa Romy Voos sy ny manamboninahitra miafina iray, izay nisolotena ho mpanolotsainan’ny Gemfields. Tsy mbola niakatra fitsarana mihitsy kosa i Philippe Tabuteau fa mbola any am-ponja, hatramin’izao.
Lin