Rasoamaromaka Hery: “Tsy mankasitraka ny governora hirotsaka ho depiote aho”

Efa fantatra ny tetiandrom-pifidianana. Momba izay ho kandidà, tsy ankasitrahan-dRasoamaromaka Hery ny firotsahan-kofidin’ny governora ho depiote.

“Tsy mankasitraka ny governora mirotsaka ho depiote aho”, hoy ny governoran’ny faritra Ana­lamanga sady sekretera na­sionalin’ny TGV, Rasoamaro­maka Hery, teny Ambohidahy, afakomaly. Tsy manary ny zon’ireo governora izy. Hiara-miasa amin’ireo olom-boafidy fa tsy ho mpifaninana aminy no adidin’ny governora. Raha mirotsa-kofidina amin’ny toerana iray, ohatra, izy, tsy hiara-hiasa amin’izay olom-boafidy eo. Manjary mandringa ny fomba fiasa amin’izany.
Tsy maintsy misy ny fiarahana amin’ny olona nanohana ny filoha Rajoelina amin’ny fiatrehana fifidianana. Mafi­mafy ko­koa io, fa hampiharina ny And. 72 amin’ny lalàmpanorenana: tsy fahazoan’ny depiote miova vondrona politika nahavoafidy azy, ary ny fanonganan’ny HCC azy raha misy ny fandikana izany. Lasa ataon’ny olona fitaovana fotsiny ny fiarahana. “Tsy miova ny anaran’ny vovonana fa Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina”, hoy izy. Ha­tramin’izao aloha, tsy mbola misy ny famoahana ny anaran’izay ho kandidà amin’izany.
“Na ny depiote eo amin’ny fitondrana aza dia miteny hoe: tsy lafo loatra ve izany?”, hoy kosa izy momba ny petra-bola 20 tapitrisa Ar amin’ny firotsahana ho depiote. Hanakanana ny olona tsy tena vonona no antony. Raha olona vonona ho depiote, azo ny vato 10% ary miverina ny petra-bola. Misy mirotsaka ho depiote ny olona no manangom-bola ho azy amin’ny fampielezan-kevitra. Hanahirana ny hoe 50, ohatra, no hirotsaka ho de­piote. Ho tonga amin’izany, raha kely ny petra-bola.

R. Nd.

Partager sur: