« Sokela, la parole du Sud » faha-12: misongadina ny fanabeazana

Azon’ireo any ampitan-dranomasina jifaina, eny anivon’ny trano famakiana sy fivarotam-boky maro, nanomboka omaly, ny « Sokela, la parole du Sud », laharana faha-12, notontosain’ny Profe­sora Rasamoelina Henri. Tsia­hivina fa ny 15 febroary 2024 no nivoahany tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny eto Madaga­sikara. Lahatsoratra 17 no mandrafitra azy ity, ary Mala­gasy mpikaroka miisa 29 no nifarimbona nanao izany. Ny tontolon’ny fiarahamonina, ny fanabeazana, ny tontolo iainana ary ny haisoratra no resahina ao anatin’izany.
Gazetiboky marolafy ny “Sokela, la parole du Sud”, fitaovana noforonina, ahafahan’ny mpikaroka maneho ny voka-pikarohany eto Madaga­sikara sy any ampita. Ho an’ity laharana faha-12 ity, tsy miova amin’ny nahafantarana azy hatramin’izany fa ny zava-misy sy ny maresaka eto Madagasikara no tena navoitran’ireo mpanoratra ao. Ani­san’izany ny lahatsoratra “Vide un grenier pour aider les autres”, «Insécurité en milieu rural, cas du district Betafo », « La violance en milieu sco­laire à Madagascar », « Réflexion sur le problème des feux de brousse et la déforestation à Madagas­car »…
Ankoatra ireo mpikaroka, maro ny mahazo tombontsoa amin’ny alalan’ny lahatsoratra. Afaka mampiasa azy ity ho loharanon-kevitra avokoa ny rehetra, indrindra ny mpianatra sy ny eo amin’ny sehatry ny fikarohana.

Lin

Partager sur: