Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ Itasy, taranja baolina kitra, sokajy lahy sy vavy. Miditra amin’ny andro faharoa ny fifaninanana ho an’ny vehivavy. Ao Analavory no hanatontosaina izany, ho an’ny sokajy vehivavy. Kianja telo kosa no handray ny lalao ho an’ ireo lehilahy.
Tsy anisan’ireo Malagasy mpilalao handrafitra ny Ankoay lahy hanao ny lalao ady tapakila amin’ny “Afrobasket 2025” i Mathias M’Madi sy Lovasoa. Raha ny vaovao voaray, tsy nomen’ny Seward Etazonia, izay klioba hilalaovany, fahafahana hiatrika izany izy mirahalahy ireo.
Tsy ao anatin’ireo firenena hiatrika ny lalao savaranonando amin’ny ady tapakila hiatrehina ny “Can 2025, Marôc”, taranja baolina kitra, i Madagasikara. Tsara ny mampafantatra fa hatao ny volana marsa ho avy izao.
Nosoloina ny mpanazatran’ny Olympique Marseille. Araka ny fikarohana natao, i Jean- Louis Gasset no hitondra ity ekipa frantsay ity. Tsiahivina fa ity teknisianina ity, efa nitondra an’i Côte d’Ivoire, nandritra ny lalao telo teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona amin’ ny “Can 2023” saingy noho ny vokatra ratsy dia nesorina.