Fifaninanana sarimihetsika fohy. “Ireo adin’ny vehivavy malagasy” no lohahevitry ny “Up contest”, izay misokatra ho an’izay liana. Horonantsary fohy anatin’ny 30 segondra hatramin’ny 10 minitra no takina amin’ny mpifaninana. Mila miditra ao amin’ny tranonkalan’ny Cine.up mijery ny fepetra sy ny fipitsika. Vola 1 tapitrisa Ar ny loka voalohany amin’izany.
“Talent Discovery Music”. Hihazo an’i Taolagnaro indray ity hetsika fitiliana mpanakanto any ifotony ity. Manana hatramin’ny 29 febroary ireo mpanakanto mpanao mozika any an-toerana hampiditra ny sanganasany hifaninana. Afaka mijery ny fepetra ao amin’ny pejy “Talent Discovery Music” izay liana. Ny 2 marsa ny fiakarana an-tsehatra, ao amin’ny Legalize Ankoba.
Hisy ny famelomana an-tsehatra ny tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havatsa- Upem, amin’ ny alalan’ny fiantsana sy fihirana azy. Anio tolakandro, ao amin’ny efitranon’ny Kolontsaina, Lisea Ampefiloha, no hanatontosana izany. Ho re, mandritra izany, ny tononkalon’i Odéam Rakoto, Dox, Célestin A, Rado, Clarisse Ratsifandriamanana,…
Tanterahina anio, eny amin’ny Trano Sary Ambohidahy, ny famelabelaran-kevitra sy fijoroana vavolombelona momba ny tantaram-piainan’ny Kly Ratsimandrava Richard, iarahana amin’ny Jly Ramakavelo Désiré sy Ratsimandrava Danielle. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fampirantiana momba ny tantaram-pianany izao hetsika izao.