Tetikasa Tafita : mampivoatra ny fifehezana ny vakiteny sy ny kajy

Mitohy ny  tetikasa  « Tafita » izay iarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny fandaharanasa japoney, JICA. Handrakotra ny faritra 23 izany manomboka amin’ity taona ity.

Hitohy amin’ny dingana fahatelo ny tetikasa «Tafita», nampiharina teny amin’ny sekoly fanabeazana fototra na ny EPP. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy hanomezana lanja ny fitantanana eny ifotony miaraka amin’ny FEFFI izany. Nitondra fivoarana
amin’ny fifehezan’ny mpianatra ny taranja vakiteny sy ny kajy ny fametrahana ny tetikasa nanomboka ny taona 2016.
Faritra roa no nanombohana ny tetikasa tany am-piandohana. Nitarina ho an’ny faritra 11 tamin’ny dingana faharoa, izay hifarana amin’ity taona ity. Fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy ny fitantanana ny fampianarana amin’ny ankapobeny no tanjona, miaraka amin’ny Farimbon’ ezaka ho fahombiazan’ny fanabeazana eny ifotony (FEFFI).
EPP 10 474, miaraka
amin’ny mpanabe 41 523 sy mpianatra T1 hatramin’ny T5 mahatratra iray tapitrisa ma­hery no nampiharana ny tetikasa. 28% ny taham-pahombiazana ho an’ny vakiteny. 25% ho an’ny fifehezana ny kajy. Vokatra azo taorian’ny fampianarana tosika nokarakarain’ny FEFFI, izay natokana ho an’ny mpianatra marefo amin’ilay taranja.

Faritra 12
Hitohy amin’ny dingana fahatelo ny tetikasa. Hiom­pana amin’ny faritra 12 ambiny, hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny JICA, omaly, teny Mahamasina.
Ankinina amin’ny FEFFI ny fandrafetana ny fandaharanasa tanterahina isan-taona eny anivon’ny EPP tsirairay. Ma­nara-maso amin’ny fanatanterahana izany ny rantsa-mangaikan’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, manomboka amin’ny lehiben’ny ZAP. Miankina amin’ ny filàna ny fandaharanasa, miompana amin’ny fanatsarana ny fotoana ianarana, ny tontolo iainana, ny fitantanana ny sekoly, ary ny kalitaon’ny fanabeazana. Omena fiofanana ny mpikambana amin’ny FEFFI amin’ny fitantanana. Tafiditra ao ny vondron’olona eny ifotony, ny ray aman-dreny, ny mpanabe…
Mpanohana ny tetikasa ny fanjakana japoney, amin’ny alalan’ny JICA, ka mijery miaraka ny ezaka vita ho an’ny dingana faharoa madiva hifarana ny tomponandraikitra ao sy ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena.

Vonjy

Partager sur: