Sarotra ny fotoana iarahan’ny tarika manontolo an-tsehatra. Any ivelany no miasa sy monina ny mpikambana sasany, na ho an’ny tarika Feo Gasy na ny Lôlô sy ny tariny. Manohy ny “revy” kosa ireo mpikambana aty an-tanindrazana, ary tsy mampaninona ireo mpankafy izany. Hisy indray, araka izany, ny “Revy Feo Gasy sy Lôlô sy ny tariny”, ny zoma 23 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora alina, eny amin’ny Madagascar Espace, By Pass Ambohimangakely.
Hamerina ireo vazo an-gitara tsy lefin’ny taona ry Benny sy Bebey ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, izay arahin’i Nini, toy ny mahazatra. Satria hisy Feo Gasy, eo koa ny andrarezin’ny tendry gitara bagasy, Kolibera. Ho tafaraka anaty seho iray, araka izany, ireo hira nanamarika vanim-potoana maro, ho an’ireo mpankafy. Marina fa hafa foana ny hoe feno ny tarika, kanefa tsy manova ny fanahin’ireo hira izay efa mipetraka rahateo ireto mpanakanto ireto. Efa mahatsapa izany rahateo ireo tena mpankafy, ka tsy mitady izay tsy hita intsony…
Zo ny Aina