Tsy tazana loatra ao anatin’ny sanganasany ny zavatra iainany. Ratsifa, mpanoratra miaina tahaka ny olon-drehetra. Hiresaka momba ny fitiavana izy sy i Maneho anio. Dinika nifanaovana taminy.
Gazety Taratra (*) : Hotanterahina anio, etsy amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny velakevitra « Velapiainana ». Ny ho fizotry ny hetsika ?
Ratsifa (-) : Amin’ny ankapobeny, mamintina tranga roa izy io. Fankalazana ny Andron’ny mpifankatia sy ny Andro maneran-tany ho an’ny tenindreny. Izaho sy i Maneho no hanatanteraka izany. « Fitia ambaratelo » ny lohahevitra, satria, ho voaboasana ao ny fiainan’ny poeta eo amin’ny tontolon’ny fitiavana. Arahina antsan-tononkalo ny velakevitra.
* Izany hoe, hamoaka ny tsiambaratelom-pitiavany Ratsifa ?
– Eny, satria, izay no maha « Velapiainana » azy. Mety ho voadiniky ny mpikarakara, angamba, fa izaho tsy mba dia milaza na maneho na mamoaka ny tsiambaratelom-pitiavako ao anatin’
ny tononkaloko loatra. Tsy maninona loatra izany, satria, ny olona aza anie miditra amin’ny fiainana iainako e ! Izany hoe, mety tsy ho tsiambaratelo ho azy ireny ny holazaiko anio. Na izany aza, afaka manontany tsara ny mpanatrika ! Avy amin’ireny rahateo no hanehoana ny « Velapiainana ». Hasongadiko, anio, ny mombamomba ahy amin’ny maha mpanoratra sy poeta ahy. Ny fiainam-pitiavana iainana andavanandro, ary ny fiainam-pitiavana eo amin’ny maha poeta.
* Inona avy ireo karazana asa soratra ataon-dRatsifa ? Misy ny mampiavaka azy ireo amin’ny an’ny hafa ve ?
– Saika nikorisan’ny penina avokoa ny karazana asa soratra misy amin’izao vanim-potoana izao. Ny tantara fandefa amin’ny Radio, tantara foronina, sarimihetsika, sombintantara, tononkalo ary ny riankalo. Raha ny tononkalo manokana, maherin’ny 250 isa ny voasoratro. Anisan’ny mampiavaka ahy eo amin’ny soratra, ny fomba fanoratana tononkalo sy tantara. Raha vehivavy Ratsifa amin’ny andavanandro, heverin’ny olona fa lehilahy izy amin’ny fomba fanoratany !
Nitafa : HaRy Razafindrakoto