Marihina isan-taona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana. Misy ny fanamby ho an’ny fampiroboroboana ny teny malagasy, izay tenindreny, teny ibeazana ho antsika. Manankarena fahasamihafana izany.
“Tenindreny, teny mampandroso”, io no lohahevitra nosafidiana nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, omaly. Nisy ny lanonana tsotra fa manan-danja, nanamarihana izany tetsy amin’ny Efitrano Rado, Tranombokim-pirenena, Anosy. “Homentsika haja ny tenindreny. Tsy ny ofisialy ihany, satria manankarena ny teny malagasy, manana ireo fiteny isaky ny faritra. Dingan-dava hataon’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera hampiroboroboana ireny fahasamihafana ireny. Tandindomin-doza mantsy ny kolontsaina malagasy manoloana ireo kolontsaina vahiny. Soa fa mbola teny malagasy no ifandraisan’ny samy Malagasy”, hoy ny ampahany tamin’ny lahatenin’ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera, Andriamananoro Augustin, omaly.
Tsy vita mora izany. Mitaky asa amam-piniavana avy amin’ny rehetra, indrindra ireo voakasika manokana. Ho fitaovana hanampy betsaka amin’izany ireo ivo-toerana isan-karazany tantanan’ny minisitera isam-paritra, ka anisan’ireny ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera. Hisy ny tan-tsoroka ho an’ny mpampianatra, ny mpandalina ny teny malagasy, sns. Hamafisina ihany koa ireo fandaharana efa misy mahakasika ny fampiainana ny teny malagasy, mandeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana.
Nandritra ny ivon’ny fankalazana, omaly, notolorana mari-boninahitra ireo mpiofana nandritra ilay atrikasa momba ny feni-panoratana ny teny malagasy. Mpikabary, mpanoratra, mpisehatra maherin’ny 80 izy ireo no niatrika ny zara-traikefa nataon’ny Profesora Ranaivoson Jeannot, ny 15 febroary lasa teo.
Notolorana omaly koa ny lokan’ireo mpianatra avy amin’ ny sekoly nifaninana tamin’ny kilalaon-tsaina miompana amin’ny fahaizana ny teny Malagasy. Nibata ny loka voalohany ny avy amin’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo.
Zo ny Aina