Nanao fanambarana omaly, ireo ben’ny Tanàna 12, ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Milaza izy ireo fa miandrandra olom-baovao hitondra fampandrosoana any an-toerana. Manoloana izany, hanolotra an-dRakotondrazafy Justin na i Zilikely Fanavotana ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka izy ireo. Mangataka ny fankatoavan’ny fanjakana foibe ireo ben’ny Tanàna mba ho isan’ny kandidam-panjakana ny olona atolony.
Mpiara-miasa akaiky amin’ ny fampandrosoana ny tanàna eny ifotony miaraka amin’ireo ben’ny Tanàna i Zilikely. Antony, hanohanan’ny ben’ny Tanàna azy izany mba tena hipaka any ifotony sy any amin’ ny vahoaka ny fampandrosoana.
Miandrandra olom-baovao hitondra ainga vao ho an’ny fampandrosoana ny distrikan’ Antanifotsy. Sehatra maro no mitaky fampandrosoana any an-toerana. Nilaza ny ben’ny Tanànan’Ambatomiady, Ratolojanahary Andriamalala fa efa nanaovan’ireo fikambanan’ny ben’ny Tanàna fanadihadiana lalina ny mikasika an’i Zilikely Fanavotana. Nambarany fa mahafeno sy manaja ny rafitra ary ny fepetra rehetra napetraky ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ity kandida ity.
Tatiana A