Fihetsiketsehana no betsaka : malaza tsy ampiasaina toy ny « teny ibeazana »

Manana ny teny malagasy ny Malagasy. Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ ny teny ibeazana ny Malagasy… Saingy, ny voalohany malaza tsy ampiasaina, ny faharoa ny fihetsiketsehana no betsaka. Misy olona na vondrona olona mikendry ny hamotika tante­raka ny teny malagasy eto. Anisan’izany ireo minia mikipy manoloana ny tena zava-misy marina sy manjo ary iainan’ny teny malagasy.

Nahoana no beazina amin’ ny teny vahiny ny taranaka malagasy ? Isan-tsehatra, tratran’io avokoa. Any anivon’ny ankohonana, toeram-piana­rana. Any amin’ny tontolon’ny asa… Ny fiarahamonina iray manontolo mihitsy ! Vao any am-bohoka, omena anarana amin’ny teny vahiny. Teraka, tezaina sy beazina amin’ny teny vahiny. Any an-tsekoly, omena fahalalana sy beazina amin’ny teny vahiny !
Heverin’ireo ampahana Malagasy tia milohaloha vahiny fa rehefa miteny ny fitenin’ ireny olona ireny dia « ambony, avara-pianarana, mihaja sy be voninahitra… » ! Tsy mby ao an-tsain’izy ireo fa fanimbazimbana sy fanaovana tsinon­tsinona azy sy ny taniny ary ireo razana nipoirany ny fihe­tsika tahaka izany. Famo­noana tanteraka ny hasina maha olona.
… Hipetraka ho fihetsike­tsehana sy endrika ivelany fotsiny ny « Andro iraisam-pirenena » raha mbola milohaloha tenim-bahiny, fombam-bahiny, sns, ny Malagasy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: