Mirongatra ao Toamasina ny halatra akorandriaka (corail), sokajiana ho biby anaty ranomasina miendrika vato. Velon-taraina manoloana ny zava-misy ny mpanjono noho izy mitarika ny fahasimban’ny tontolo andranomasina sy ny hazandrano samihafa. Nahazo loharanom-baovao avy tamin’ ny olon-tsotra ny teo anivon’ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (DREDD), faritra atsinanana ny alatsinainy teo nilaza fa misy olona manosika akorandriaka amina kalesa teny Morarano. Vokany, tratra ambodiomby ireo mpitrandraka. Nandraisana fepetra avy hatrany. Hentitra Atoa Tezena Lionel Armando, talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy amin’ ny fiarovana ny akorandriaka, ny biby mampinonono sy ny vorona ary ny sokatra an-dranomasina na an-dranomamy.
Sazy
Enjehin’ny lalàna sy manavoasazy ary handoavana lamandy manomboka ny 1 tapitrisa ka hatramin’ny 5 000 000 Ar ny fitrandrahana antsokosoko ireo harena an-dranomasina. Manampy amin’ny fiarovana ny toetr’andro ny fisian’ny akorandriaka sy ny honko ka mila tandrovana, hoy hatrany ny fanazavan’ny DREDD atsinanana. Manan-danja eo amin’ ny tontolo iainana sy ny sehatry ny jono ireo karazana zava-mananaina.
Anisan’ny miantoka ny famokarana an-tanety sy an-dranomasina ny fananantsika ireo karazan-java-boary samihafa sy mampiavaka an’i Madagasikara. Antoka ho an’ny fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny toekarena ny fitrandrahana ara-dalàna ny rohivoaary. Araka izany, ady iombonana ny fiarovana ny tontolo iainana na an-tanety na an-dranomasina.
Sajo