Iray tsy mivaky

 

Nankalaza ny andro natokana ho an’ny tenindreny i Mada­gasikara, omaly. Nanakoako na tsotra aza ny fomba nentina nanamarika izany. Iza tokoa no tsy hihambo amin’ny azy sy ny maha izy azy ? Indrindra fa firenena latsaka an-katerana tahaka izao. Firenena sy vahoaka izay mila ny fiaraha-mientana sy ny fifanohanan’ny rehetra.
Zava-dehibe ny teny, hany harena tokana tsy voaovan’ny mpanao politika sy ny mpilalao maloto eto amin’ny tanàna. Teny, izay mampiavaka an-dRamalagasy amin’ny firenena afrikana maro. Nosy goavam-be, fahaefatra maneran-tany saingy miteny fiteny tokana. Mifankahazo tsara izay lazaina sy mifanerasera tsy misy elanelana.
Porofo lehibe manamafy ny maha malagasy iray, tsy misy fahasamihafana izany. Indrisy anefa, indrokelin’ny mpandrafitra, anisan’ny mampikatso ny fampandrosoana tiana hatao eto Madagasikara ny fika maloton’ny mpitondra sasantsasany. Mbola maro no mivoy ny resa-piaviana sy ny foko raha mba misy ny andraikitra ifampizarana. Firifiry anefa ireo milaza fa zanaky ny faritra no tena mitondra ny anjara birikiny any an-tanindrazany ? Ny ankabeazany aza, mamorona fasan-drazana vaovao any am-pilana ravinahitra. Ny tena zava-doza, misy ny mandositra an’i Madagasikara, misafidy ny ho vazaha.
Atsipy ihany ny teny mahakasika ity fomba fisainana sy fomba fiasa sadasada ity. Mifanohitra manko ny lazain’ny vava amin’ilay firaisankina sy ny fanao mampisara-bazana mba hanjakazakana amin’ny fanaovana tsindrihazolena. Sehatra iray ahafahana manao ampihimamba ny harena isam-paritra rahateo ny fanendrena sy fametrapetrahana olona tsy manana na tsy ampy traikefa, fa mitondra anaran-tsaranga na fiaviana fotsiny.
Fanambin’ny filohan’ny Repoblika ny fandrosoana mirindra sy aingana ary maharitra ka tokony havoitra kokoa, ilay maha malagasy fa tsy ilay maha avy atsy na avy eroa. Ny vazaha aza izao efa tsy manaiky raha tsy atao ho gasy zanatany tsy mitapoka !

r.r

Partager sur: