Mifototra amin’ny vina fototra fito ny fandaharanasan’ ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) : Toekarena maharitra sy ny fiarahamonina tomponandraikitra, ny famatsiam-bola maharitra, ny ady amin’ny fandotoana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny voly hazo sy ny fitandrovana izany, ny diplaomasia maitso sy ny fiaraha-miombon’antoka, ny fitantanana voatsara, ary ny serasera sy ny fapitam-baovao ary ny fanabeazana momba ny tontolo iainana. Nivoitra ireo tamin’ny fiarahan’ ny minisitra tomponandraikitra, Fontaine Max Andonirina, nidinidinika tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Antsahavola.
Ankoatra izay, nisongadina ny mahakasika ireo fametrahana toby fifantenana sy fanodinana fako, miisa enina izay hapetraka amin’ny faritra samihafa, hatramin’ny faran’ny taona 2025. Efa amperinasa rahateo ny ao amin’ny faritra antsinanana, tsy ho ela ny eto Antananarivo Avaradrano. Hanodina fako 60 taonina isan’andro ny toby tsirairay, izay ho tantanan’ny sehatra tsy miankina. Marihina fa raha ho an’Antananarivo manokana, 1000 taonina isan’andro ny fako miparitaka.
Mikasika ny fanatrarana ny tanjona « 100 andro », efa mipaka hatrany amin’ny 47 % ny taham-panatrarana izany ho an’ny minisitera raha ny fandrakofana ala ny tany 75000 ha manokana ho amin’ity taona 2024 ity. Anisan’ny voaresaka, omaly, ihany koa ny mahakasika ny fanadihadiana momba ny tontolo iainana, mifandraika amin’ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo. « Efa vita ny fanadihadiana momba ny ampahan-dalana voalohany. Anatin’ny fanadihadiana momba ny ampahan-dalàna faharoa izahay, ankehitriny. Rehefa vita izany vao afaka miteny ny antsipirihany sy manao tatitra izahay. Aorian’izany ny ampahany fahatelo », hoy hatrany ny minisitra.
r.r