Moramanga : tratra ilay lehilahy mpamboly rongony

Voasambotry ny polisy ny lehilahy iray mpamboly sady mpivarotra rongony tao Ambohitranjavidy, kaominina Moramanga, afakomaly. Naharay antso tamin’ny tomponandraikitry ny fokontany ny mpitandro filaminana momba ny fisian’ny lehilahy iray manao io fambolena rongony io eo an-tokotaniny. Nanamarina ny zava-nisy ny polisy. Tratra tao an-tranony tokoa ilay lehilahy voalaza. Notapahina avokoa ireo rongony rehetra namboleny. Efa mpanao io asa ratsy io izy. Tsy vitan’ny mivarotra fa mifoaka koa ny tenany, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy. Nogiazana ireo rongony maina tratra tao aminy. Nentina natao famotorana io lehilahy io ary hatolotra ny fampanaovana aorian’izay. Mitohy ny ezaka ataon’ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina mamongotra ireo mpivarotra sy mpidoroka izany.

Tsiferana R.

Partager sur: