Mvola: hanampy ny fikirakirana vola ny tolotra Fameno

Misy ny tolotra vaovao Fameno, navoakan’ny orinasa MVola. Nentina hamonjena ny mpanjifa raha sendra tsy ampy ny volany ao amin’ny kaontiny, ahafahany mandefa vola na koa mividy zavatra na handoa faktiora. Hatramin’ny 1.000.000 Ar ny vola azo indramina ary maimaimpoana tsy misy sarany. Azo honeran’ny mpanjifa ao anatin’ny fito andro, aorian’ny fotoana na­ha­zoany ny Fameno ny vola. Manindry ny #111*1*3*2*2# no fomba fidirana amin’ny MVola Fameno.

Fahasamihafana

Samy tolotra hamonjena ny tsy fahampiam-bolan’ny mpanjifa ihany ny MVola Fameno sy ny MVola Avance. Ny maha samy hafa azy, tsy azo sintonina ho lelavola ny Fameno, fa hampiasaina avy hatrany handefasana vola na handoavam-bola. Azo atao miaraka anefa ireo tolotra roa ireo. Ny itovizan’izy roa kosa anefa, arakaraka ny sora -bola sy ny fahazotoana mampiasa ny MVola. Marihina fa mila fantatry ny mpanjifa tsara ny fahafahany manonitra ny vola hindraminy amin’ny alalan’ny tolotra MVola Avance na ny MVola Fameno. Anisan’ny tanjona rahateo ny fananana ny toe-tsaina ara-bola.

Njaka A.

Partager sur: