Fampirantiana hosodoko, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. Mitohy hatrany ny fanomezana sehatra ireo mpanakanto mpanao hosodoko ao amin’ity toerana ity. Hisokatra anio maraina ny fampirantiana arahina varotra ireo sanganasan’ireo mpanakanto anatin’ny “Association des artistes plasticiens de Madagascar”, na ny AAPMCAR. Haharitra hatramin’ny 5 avrily izao izany.
Natomboka omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny fampianarana kilalao malagasy sy ny fanandratana ny soatoavina Malagasy niarahana tamin’ny mpampianatra avy ao amin’ny Manda Ofisialy Mpikabary sy ireo mpianatra ao amin’ny “Centre fihavanana Mahamasina”. Isaky ny Alarobia fahatelo amin’ny volana no hanaovana ny hetsika.
Tontolon’ny sary hosodoko. Zavakanto manomboka ahatazanana fa miha lehibe hatrany ny salan-taona miangaly azy ity. Misy ny zaza sy ny tanora manan-talenta, saingy, mbola olana hatrany ny tsy fahampian’ny olona
hitari-dia azy ireny. Saika mampiana-tena ny ankamaroany. Eo ihany koa ny tsy fahatsapana na tsy fahitan’ny ray aman-dreny ny talentan-janany amin’ny fanaovan-tsary.
Tanterahina manomboka anio, eny amin’ny Is’art Galerie Ampasanimalo, ny « Antananarivo Streets », fampiratina tontosain’i Miora Acker. Ao anatin’ny haikantony
no hanehoan’i Miora Acker ny zava-misy sy ny toetran’ny lalana misy eto Antananarivo. Tohin’ny « Berlin Streets », izy ity, niampy teknika vaovao vokatry ny karoka nataon’i Miora Acker.