Seho tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay. Fampanantenana nataon’ny tarika AmbondronA io, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety
AmbondronA, tarika tsy zoviana amin’ny mpitia zavakanto. Hiakatra an-tsehatra voalohany amin’ity taona 2024, eny amin’ny efitrano malalaky ny CCI Ivato, ny 25 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiavaka ny seho, satria, ireo hira nahafantarana ny tarika tany ampiandohana no hatolotr’izy ireo. “Misy ny hira tambatra. Tsy toy ny mahazatra ny fomba fisehoana eny an-tsehatra sy nandaharana ny hira. Haharitra adiny telo ny fampisehoana. Maro ireo mpankafy nangataka mba hanatanterahina seho amin’ny toerana tahaka ity CCI Ivato ity. Raha ny taonan’izy ireo, efa azo lazaina ho zoky ihany, satria, hankalaza ny faha-25 taonany amin’ny taona 2026 ny tarika AmbondronA”, hoy i Beranto.
Aorian’io seho io, hahazo ny anjarany ny manodidina ny renivohitra. Anisan’izany ny any Imerintsiatosika. Eo koa ny fandraisana anjara amin’ny “Fetsival Tsika Jiaby” any ivelan’ny Nosy. Fantatra fa efa manomana ny vokatra manaraka ny tarika AmbondronA, raha ny taona 2021 no namoahan-dry zareo ny rakikirany farany.
Raha tsiahivana, ny 16 avrily 2023 no nanatanteraka ilay hetsika goavana teny amin’ny araben’ny Fahaleovantena izy ireo. Fiaraha-miasa amin’ny trano mpamokatra Louvto Company kosa ity seho amin’ny alahady tolakandro ity.
Fanou