Mitohy ny fanamafisana ataon’ny filoham-pirenena mahakasika ny famaizana ireo manao fanolanana. Tsy miala maina izay voaporofo fa nahavita izany fa tsy maintsy vosirina.
Nanaovan’ny filoha Rajoelina Andry fanamarihana manokana mihitsy, nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ampiharina amin’ireo olona manao fanolanana, indrindra amin’ny ankizy.
Noho ny firongatr’io tranga io tato ho ato no nandraisana ny volavolan-dalàna famaizana momba ny famosirana na ny « castration » an’ireo voamarina fa nahavita izany heloka izany.
Raha ny salanisa tamin’ity taona ity, efa miisa 144 sahady ny trangana fanolanana tao anatin’izay roa volana latsaka izay, manerana an’i Madagasikara. Nisy mihitsy ny zaza maty vokatry ny herisetra mamoa-doza. Manodidina ny 4 isan’andro, araka izany, ny tranga fanolanana voapakatra, hoy ny minisitry ny Fitsarana .
Nanamafy hatrany ny fitondram-panjakana fa tsy azo ekena ny famotehana ny zaza tsy ampy taona ka rariny raha famaizana mifandraika amin’ny heloka be vitany no miandry azy.
Efa nitondra fanazavana ny minisitry ny Fitsarana fa miampy fampahafantarana ampahibemaso ilay olona voaporofo fa nanolana ny sazy miandry azy ankoatra ilay famosirana.
Hanampy amin’ny fahatongavan-tsain’ireo manam-paniriana ratsy amin’ny fanolanana ny fanamafisana ny sazy. Am-pitaintainana kosa no iainan’ireo efa voaporofo fa nanolana zaza tsy ampy taona miandry ny famosirana azy.
Matetika, ny fianakaviana akaiky ihany no tena mahavanon-doza amin’ny fanolanana. Ireo raikely na dadatoa no matetika heno fa nanolana ny zaza ao an-trano.
Habibiana no handikan’ny Malagasy ny trangana fanolanana amina zaza tsy ampy taona ka maro ireo nankasitraka ity sazy ity.
Ny hoavin’ilay zaza mihitsy mantsy no potika na ny ainy no manefa, araka ny tranga farany niparitaka tamina haino vaky jery farany teo.
Tatiana A