Andron’ny skotisma : nisongadina ny hetsika sosialy

Nomarihina omaly ny Andron’ny skotisma, fotoana naha­tsiarovana manokana ny olona namorona ity fikambanana maneran-tany ity. Teny amin’ny ANS Ampefiloha no nankalaza izany ny skoto eto Antananarivo, tamin’ny alalan’ny fa­nome­zan-dra sy ny fandraisana fanampiana hozaraina amin’ny sahirana. Mampiavaka ny fanabeazana eo anivon’ny fikambanana ny fanohanana ny mpiara-belona amin’ny he­tsika mipaka any aminy mivantana. Samy nanana ny zavatra nanamarihina ny andro omaly ny fikambanana manerana ny Nosy, fa natao mi­fandraika amin’ny soatoavina voiziny. Ni­salotra ny fanamiana maha skoto azy avokoa ny mpikambana rehetra teny anivon’ny sehatra misy azy mba ho fiaraha-mientana. Fanabeazana ny zatovolahy sy vavy ho tonga olom-banona amin’ny lafiny rehetra no tanjona. Ankoatra ny hetsika sosialy, nibahan-toerana koa ny fametrahana tetikasa madinika hiarovana ny tontolo iainana manomboka eny amin’ny tanàna honenan’ny mpikambana rehetra. Nisy fanentanana manokana teny amin’ny tambajotra ho an’ny skoto momba izay hetsika izay. Manamarika ny faha-100 taonany rahateo ny skoto eto Madagasikara ary maro ny hetsika hanamarihina ny taon-jobily efa nosantarina tamin’ity volana ity.

Vonjy

Partager sur: