Edisiona Jeunes Malgaches: mitohy ny fiaraha-miasa amin’i Arikaomisa R.

Tontosa omaly ny fanaovan-tsonia fanaovaozana fiaraha-miasa, eo amin’i Arikao­misa Randria, Malagasy mpanoratra, sy ny edisiona Jeunes Malgaches. Hisy ny boky vaovao hivoaka amin’ny volana avrily 2024. Tsiahivina fa boky mahakasika ny fanabeazana sy fitaizana ankizy no tena ahafantarana ny edisiona Jeu­nes Malgaches, ary miray vina amin’izy ireo amin’izany ity mpanoratra ity.
Ankoatra ny fitohizan’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, anisan’ny mbola hiandraikitra ny fanaovana sary amin’ny bokin’ity edisiona ity ihany koa i Max Razafindrainibe. Eo iha­ny koa ny fikambanana Tou­raine Madagascar, izay avy any ivelany, efa niara-ni­asa tamin’io edisiona io, an-taonany maro.
Marihina fa mpanoratra nahavarotra boky betsaka in­drindra ny taona 2023, i Ari­ka­omisa Randria. Tao anatin’izany ny boky “Ilay lolokely Jejo”, “Fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina”, torolalana ho an’ny ankizy”, “Ohabolana, kolosaina ho an’ny ankizy”.

Lin

Partager sur: