“Tsy ilaina eto amin’ny firenena ny politika midongy, tsy mampandroso fa vao mainka miteraka fihemorana”, hoy ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), Andriamanana Nivoarivony, manoloana fiakaran’ny taham-pahavitrihan’ny olom-pirenena misoratra anarana amin’izao fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy izao. Izay ny olona vao tonga saina fa manakaiky vahoaka ny fifidianana depiote sy ny fifidianana kaominaly, mahavita mandray anjara avokoa ihany ny rehetra. Mba tsy ho voarebireby intsony amin’ny fihoalahoalana politika, fa mba tena hifidy izay hitondra soa ho an’ny distrika sy ny kaominina misy ny tsirairay avy. Tsy afa-kanao inona amin’ny fifidianana ny tena rehefa tsy misoratra anarana. Mbola misy 20 andro hahazoana manamarina ny momba ny tena sy ny lisitry ny mpifidy aorian’ny famaranana vonjimaika.
Fomban’ny kandidà ny fizarazarana zavatra amin’ny fifidianana. Mividy safidy amin’ ny fomba ankolaka izany. Anjaran’ny olom-pirenena ny misafidy. Hita koa ny fahamatoran’ny olom-pirenena amin’izao, efa tsy any amin’izay fahazoan-javatra izay rehefa fifidianana. Ilaina ny fahaiza-mifidy izay hita fa tena hitondra fampandrosoana maharitra amin’ny distrika sy ny kaominina misy ny tena, fa tsy ho sodokan’izay zavatra zarazaraina. “Izahay firaisamonina sivily amin’izao dia mampianatra ny olom-pirenena ho sarotiny sy ho saro-piaro amin’ny safidiny, manomboka amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy”, hoy izy.
R. Nd.