Firaisamonina sivily : “Mila fifampidinihana ny teti-pampandrosoana”

Nanao fanambarana iraisana ireo fikambanana 50 mahery eo anivon’ny firaisamonina sivily, omaly. ”Mila fifampidinihana ny teti-pampandrosoana”, hoy izy ireo.

“Mila fifampidinihana matotra eo amin’ny fitondrana sy ny va­hoaka isan’ambaratonga ny famaritana ny teti-pampandrosoana sy ny fitantanana izany”, hoy ny lohatenin’ny fanambaran’ny fikambanana 50 mahery eo anivon’ny firaisamonina sivily, omaly. Kendre­na ny ahatanterahan’ny fanjakana tsara tantana, fanajana ny zon’olombelona sy ny fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny, ananan’ny maro anisa fari-piainana sahaza. “Feno fanahiana izahay manoloana ny fanapahan-kevitra tampoka navoakan’ny filankevitry ny minisitra ny 31 janoary, momba ny fanovana ny lalàna amin’ny tanim-panjakana azo amidy (2008-014) sy ny fampiatoana ny fanomezana tanim-panjakana ny mponina”, hoy ny fanambarana. Ny politikam-panjakana (PGE), ny 17 janoary, anefa mikasa hanome velaran-tany midadasika ny mpampiasa vola.

Hamoraina ny fahazoan’ny tantsaha tany

Andrasana sy antenain-dry zareo ny fanazavan’ny fanjakana izay hatao momba ny fanovana io lalàna io, ny atrikasa hahafantarana ny zava-misy eny ifotony sy ny tolo-kevitry ny rehetra. Mba ho foana ny tantsaha tsy manana saha, ary tokony hohamoraina sy hampitomboina ny fahazoana tany ho an’ny tantsaha rehetra. Mila hatsangana sy hohatsaraina ny paikady fampandrosoana sy ny fifindra-monina. Ankoatra ny fangatahana ny tsy hanakatonana ny sehatry ny fahalalahana eto amin’ny firenena, misy volavolan-dalàna momba ny fiarovana ny zon’ny mpiaro ny zon’olombelona nangatahan-dry zareo hodinihin’ny mpanao lalàna. Heverin-dry zareo fa laharam-pahamehana ny ha­nomezana tany ny mpamokatra mba ho tratra ny fizakan-tena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

R. Nd.

Partager sur: