Ivokolo Analakely: Sehatra ivelaran’ireo mpanao hosodoko

Manome sehatra ho an’ny mpanao hosodoko ihany koa ny fanjakana. Izay no nanokanana ny “Galerie d’art” etsy amin’ny Ivokolo Analakely, izay mandray ireo mpanakanto mpanao hosodoko

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny “taona koltoraly 2024”, ho an’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, na ny OFNAC, etsy Analakely. Ity ofisy ity no mitantana ny Ivokolo, izay ahitana ny Teatra Ravalison sy ny toeram-pampirantiana hosodoko, sokitra sy ny hairaha ara-endrika amam-bika rehetra (Galerie d’art). Fampirantiana hosodoko, tanterahin’ireo mpanakanto avy ao amin’ny “Association des artistes plasticiens de Mada­gascar” (AAPMCAR) no manokatra izany, nanomboka omaly. Ranty miisa 48, sanganasan’ ireo mpanantalenta 16 no azon’ ny rehetra tsidihina, hatramin’ ny 5 avrily izao.

Fijery indray mielatra fotsiny dia ampy hisarihan’ireo ranty ny mason’ny mpitsidika, hifantoka bebe kokoa. Samy manana izay mahatazona azy ela kokoa, kanefa iraisana ny fahatsapana fa manan-talenta tsy mena-mitaha ireo mpanao hosodoko malagasy. “Mila velomina ny zavakanto mba hamelona”, hoy ny ampahan-dahate­nin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Andriamananoro Augustin, nandritra ny fanokafana ny fampirantiana. Nohamafisiny ny fanohanan’ny fanjakana ny sehatry ny kolon­tsaina sy ny zavakanto, indrindra ny lafiny famoronana. Nandrisika ireo tanora hiroso lalindalina amin’ny seha-kanto ihany koa ny minisitra, ary nampahatsiahy indray fa maro ireo fotodrafitrasa tantanin’ny fanjakana no natokana ho sehatra ivelaran’ireo manan-talenta.
Tohin’ny hetsika “Iray volan’ny hosodoko”, fanao isaky ny volana jolay. Hoentina hitety faritra ka hatrany ivelany ny hetsika. Mialoha izany anefa, hisy ny atrikasa natokana ho an’ny ankizy sy ny tanora hamolavolana azy ireo amin’ny hosodoko, ny volana marsa izao, ao amin’ny Ivokolo Analakely hatrany.

Zo ny Aina

Partager sur: