Mercy Ships: hanomboka amin’ny volana marsa ny fifantenana

Araka ny fanazavana nen­tin’ny kaominina Toama­sina, hanomboka amin’ny volana marsa ny fifantenana ireo olona hisitraka ny fandidiana sy fitsaboana ataon’ireo dokotera ao amin’ilay sambo Mercy Ships. Haha­ritra 2 volana eo ho eo ny fifantenana hamaritana ma­zava ny soritraretina sy ny fi­tsaboana tokony hatao.
12 ireo tanàna hanatanterahina ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry hisitraka ny fitsaboana. Anisan’izany ny eto Analamanga, Toamasi­na, Va­vatenina, Brickaville, Ampa­­ra­­fa­ravola, Miarinarivo, Maevata­nana, Ambilobe, Antsohihy, Mo­rafenobe, Ihosy ary Mana­kara. Ho fantatra miandalana kosa ny toerana sy ny daty ha­natanterahina izany.
Nokendrena aparitaka amin’ny faritra ny fisoratana anarana mba tsy hanavesatra ny marary ny fivezivezena sy ny vola mivoaka. Voalaza fa maimaimpoana avokoa ny fandidiana ny marary sy ny fanaraha-maso.
Efa maro ireo tsindrindaona amin’ny fitsaboana hotanterahin’ireo dokotera an-tsambo miantsona ao Toa­masina. Maro ireo efa nisitraka ny fandidiana tamin’ny fo­toana nandalovany teto, indrindra ireo nanana fivontosana tsy fantatra antony ta­min’ny vatana.
Na ankizy na olon-dehibe dia raisina an-tanana raha tafiditra anatin’ny sokajin’aretina afaka karakarain’ireo mpi­tsabo.

Tatiana A

Partager sur: