Mihantsy fanjakana

 

Loza amin’atambo ! Tafakatra 144 ny tahan’ny fanolanana nitranga eto Madagasikara tao anatin’ny roa volana. Mifanandrify indrindra amin’ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika amin’ny hanasaziana mafy dia mafy ny mpanolana : ny famosirana. Maharikoriko ny mahita ny firongatry ny tranga miseholany eny amin’ny tambajotran-tserasera. Isan’andro vaky, misy zazavavy kely na tovovavy tsy ampy taona lasibatra.
Sanatrian’ny vava, arakaraka ny nivoizana ny famaizana henjana, no mainka nampiredareda ny fitiavan-keloka ataon’ny olon-dratsy. Tena tsy misy miraharaha ny fivoizana ilay sazy. Ny ataon-dry tsy valahara ihany no ataony. Tena maty fanahy, tsy miraharaha ny hasina maha olon’ny lasibatra. Mahavariana fa saika handrenesana trangana fanolanana avokoa ny faritra manerana ny Nosy. Inona ny antony?
Mangarom-biby an-davaka sa mihantsy ny fanjakana? Iaraha-mahalala rahateo fa toe-tsain’ny Malagasy maro ny manao izay danin’ny kibony, ankehitriny. Mitady hanao fanjakan’i baroa mihitsy, mitady hirika hifandrefesana amin’ny fanjakana. Mahavalalanina ny zava-misy any ambanivohitra rehetra any. Tena sahin’ny mponina ny manao rano dikain’ny zinga ny manampahefana. Aleon’ny vahoaka, miray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy.
Mifanindran-dalana amin’izany, tsy miraviravy tanana ny fitondrana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, amin’ny fanamafisana ny lalàna hoenti-manasazy. Nambarany fa manaporofo ny tsy maintsy hanaovana ny famosirana, ny firongatry ny trangam-pametavetana zaza sy zatovo tsy ampy taona. Manome rariny azy amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny, izay tsy ankasitrahan’ny mpitsara maro, izay nanaovana fanadihadiana.
Efa nolanian’ny parlemanta roa tonta, ny lalàna. Miandry ny didy fampiharana sy ny trangam-pamotsirana voalohany ny Malagasy tsivakivolo !

r.r

Partager sur: