Nisokatra tamin’ny talata teo ny masoivoho (agence) voalohan’ny Orange Madagasikara ao Maintirano, faritra Melaky. Eo afovoan-tanàna, akaikin’ny tsena ary tsy lavitr’ireo biraom-panjakana no misy azy, amina velarana 66m2. “Maneho ny hetahetan’ny Orange Madagascar hanakaiky kokoa ny mpanjifany ity masoivoho vaovao ity, amin’ny fanomezana fahafaham-po ny filan’izy ireo”, hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, i Frédéric Debord. Nilaza izy fa vonona hanakaiky ny mpanjifa hatrany ny tambajotram-pifandraisana mba hahafahan’ny rehetra misitraka ny niomerika. Notokanan’ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar ny talata teo ity masoivoho vaovao sy voalohany ity. Toy ny fanaony nandritra ny taona maro mitety faritra, tonga tany amin’ny faritra Melaky, Boeny ary Diana ny delegasion’ny Orange Madagascar, tamin’ity herinandro ity, ho tohin’ireo hetsika ataony any amin’ireo tanàn-dehibe samihafa. Nandritra izany, nihaona mivantana tamin’ireo tomponandraiki-panjakana sy mpandraharaha ara-toekarena ary ny mponina ao an-toerana ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, nihaino ny hetahetan’ny mponina sy ny filany ho fampiroboroboana ny fihariana ataony.
Henintsoa H.