Hotontosaina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, ny 1 marsa ka hatramin’ny 8 marsa izao, ny andiany faha-7 amin’ny «Rallye Moi(s) Théâtre». Amin’ny ankapobeny, notazonina hatrany ireo fandaharanasa nahafantarana ity hetsika karakarain’ny Compagnie Miangaly Théâtre ity hatramin’izay. Anisan’izany ny fampisehoana eny an-tsehatra, ny atrikasa sy ny fifanakalozana ary ny «soratra».
Ho an’ity andiany faha-7 ity, hahazo vahana kokoa ny vehivavy sy ny ankizy satria hiompana amin’izy ireo ny lohahevitra sy ny kanto hotontosaina mifandraika amin’izany. Anisan’izany ny fandaharam-potoana hotanterahina eny amin’ny EPP Ambohimanga, ny 1 marsa. Fitantarana angano sy teatra ho an’ny ankizy. Ny ao amin’ny sekoly Ile des enfants, etsy Anosibe, hanatanterahina ny «Arira Arira». Ny ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy-GZ Analakely, hanehoan any «Squeeze of reign».
Marihina fa misampana amina sehatra maro ny asa kanto sahanin’ity kaompania ity. Anisan’izany ny teatra, dihy, slam, hira, sns.
HaRy Razafindrakoto