“Salon ITM, IHM”: mpitsidika manodidina ny 15 000 no andrasana

Miditra amin’ny andiany fahafolo ny ITM amin’ity taona ity, raha andiany voalohany kosa izany ho an’ny IHM. Mifameno ny tontolon’ny fizahantany sy ny asa tanana ka izany no hanaovana izao hetsika izao.

Notanterahina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny “International Tourisme Fair Madagascar” (ITM), andiany fahafolo, sy ny “International Handicraft Fair Madagascar (IHM), andiany voalohany. Hetsika roa lehibe sy manana ny maha izy azy, araka izany, ity tontosaina ity. Ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy no mpikarakara. Eny amin’ny Centre de conférence internationale Ivato (CCI) no hanatanterahana ny hetsika, ny 20 hatramin’ny 23 jona 2024.
Fotoan-dehibe ho an’ireo mpisehatra, noho izany, ny ITM andiany fahafolo sy ny IHM andiany voalohany. Tranoheva miisa 400 no ho hita eny Ivato, mandritra izany. Ny 290 ho an’ny sehatry ny fizahantany ary ny 110 ho an’ny asa tanana. Hisy, araka izany, ny sivana ho an’
ireo maniry handray anjara. Natao izany mba hampisongadina tanteraka ny hetsika, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Mpitsidika manodidina ny 15 000 no andrasana amin’ ireo hetsika roa ireo. Hampia­vaka ny andiany amin’ity taona ity, ny fanafarana mpandraharaha avy any ivelany, indrindra eo amin’ny sehatry ny asa tanana. Tanjona ny hihaonana sy hifandraisan’ny mpandraharaha avy any ivelany sy mpanao asa tanana eny ifotony, tsy misy mpanelane­lana, raha ny nambaran-dRandriamandranto Joel, minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana. Ankoatra ny fampirantiana, hisy koa ny valandresaka isan-karazany, ho fampitomboana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra amin’ireo tontolo ireo.

Lin

Partager sur: