Tontosa tao Faratsiho Antsirabe, ny 17 febroary lasa teo, ny fifakalozan-kevitra voalohany, nokarakarain’ny ligin’ny baolina kitra, faritra Vakinankaratra. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hahafantarana ny olana sendrain’ny baolina kitra any an-toerana, hisorohana ny disadisa rehefa manomboka ny fifaninanana.
Hotanterahina ny 2-3 marsa ho avy izao, any amin’ny Boulôdrome Tanjombato, ny fifaninanana entina hanokafana ny taom-pilalaovana 2024, taranja tsipy kanetibe, sokajy séniors, lehilahy. Araka ny fanazavana nataon’ny mpikarakara, hotolorana lelavola 2 tapitrisa Ar izay mahazo ny laharana voalohany.
Hotanterahina ny 27 sy 28 marsa izao, ao amin’ ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja judo. Ny sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Séniors no hifaninana mandritra io roa andro io.
Nisokatra ofisialy ny alarobia 20 febroary alina, tany Kazan Russie, ny fifaninanana “Phygital Basketball-Game of the Future”, handraisan’i Madagasikara anjara. Omaly alina tamin’ny 9 ora ny Malagasy no niditra an-tsehatra nanoloana ny ekipan’i Frantsa.