Tontolo maitso: hambolena hazo 40 000 ha ny faritra 23

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny fambolen-kazo manerana ny Nosy. Ankehitriny, velaran-tany 19 423 ha no efa voavoly hazo hatramin’ny niandohan’ny taom-pambolen-kazo 2023-2024, izany hoe, 48,56% ny tanjona nofaritana. Tanjona ny hamboly hazo amina velaran-tany 40 000 ha amin’ireo faritra 23, ho an’ity taona ity, raha toa ka amina velarana 75 000 ha no apetraky ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy isan-taona. Araka izany, hisy ny rindrambaiko manokana hanaraha-maso ny fambolen-kazo ma­nerana ny Nosy izay manome ny antontanisa isaky ny distrika.
Tetikasa

Hapetraka ny “Arboretum” sy ny “parc botanique” eny Ambatobe. Hotratrarina ao anatin’ny 100 andro ny famefena sy ny fiarovana ny toerana, ny fanamboarana ny drafitra fanajariana ary ny famaritana ireo karazana zavamaniry hambolena ao anatiny. Haha­ritra roa taona kosa ny fanatanterahana ny asa rehetra, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Tafiditra ao anatin’ireo tanjona ao anatin’ny 100 andro ny hanajarina velaran-tany 1ha sy hambolena zana-kazo vaovao miisa 500. Imasoana manokana ireo hazo tsy fahita afa-tsy eto Madagasi­kara. Hametrahana “vitrine de la biodiversité de Madagascar” ihany koa eny amin’ny Lapam-panajakana Iavoloha, ahitana ny taninke­tsa lehibe ho an’ireo karazan-javaboahary tsy misy afa-tsy eto Madagasikara, toy ny ravinala, ny baobab, ny hazo sarobidy isan-karazany.

Henintsoa H.

Partager sur: