Miseholany ny vaky fasana, lasibatry ny olon-dratsy indray ny fasana iray ao amin’ny fokontany Sadondraza Ambohitriombonana, kaominina Fihaonana, afakomaly. Razana miisa 21 noviravirain’ireo tsy mataho-tody. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fasana efa nisokatra. Niantso ny tompom-pasana sy ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany izy ireo. Tsy hita tao intsony ny taolambalo sasantsasany. Karan-doha iray an’ny razana nalevina vao tsy ela akory niampy zazakely roa no hany navelan’ireo mpandroba. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Andrasana ny voka-panadihadiana. Marihina, matetika hisehoana vaky fasana ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ka izao tonga hatrany Ankazobe izao.
Tsiferana R.