Tsy nahomby ny lalao voalohany natrehin’ny Malagasy, tao anatin’ny dingana voalohan’ny fifanintsanana « Afrobasket 2025 », sokajy lehilahy. Resin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny Ankoay
Niondrika nanoloana an’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 77 no ho 69, i Madagasikara, omaly, tao Le Caire Egypte, nandritra ny lalao voalohany. Tany ampanombohan’ny lalao dia efa fantatra fa mafy ireto Ivoarianina ireto saingy tsy nanakana ny Ankoay tsy hanohitra azy ireo izany. Ekipa efa milalao amin’ ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany rahateo izy ireo ka tena manana haavo teknika. Nanantombo tamin’ny lafiny rehetra ny mpifanandrina tamin’ny ekipa malagasy. Somary sahirana ry i Elly sy ny namany, tany am-piandohan’ny fifandonana, nisy fotoana tena nihoaran’i Côte d’Ivoire lavitra ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tetsy ankilany, tsy nahomby firy ny “lancer franc” ho an’ny Malagasy, misy lesoka ihany koa ny “rebond”, araka ny tombana nataon’ny mpanazatra ka antony tsy nampahomby antsika avokoa izany. Nanenjika anefa ny Ankoay ary niezaka nampihena ny elanelan’isa nisy teo amin’ny roa tonta, ka io isa 77 no ho 69 io no nisarahana. Azo lazaina ho tsara iny lalao omaly iny, raha ny fanazavan’ny mpanazatra hatrany satria tena mafy i Côte d’Ivoire kanefa tsy dia betsaka ny elanelan’isa. Mila harenina kosa anefa ny lesoka amin’ireo lalao roa mbola hatrehina. Araka ny fandaharan-dalao, ny ekipa mpampiantrano, i Egypte, no miandry an’i Madagasikara, ho amin’ny anio. Anio alina amin’ ny 8 ora no hanatanterahina ity lalao faharoa ity, izay anisan’ny mafy ho an’ny Malagasy ihany koa. Ny fihaonan’ ny Ankoay amin’ny Centrafrique, rahampitso amin’ny 5 ora kosa no hamarana ity dingana voalohan’ny fifanintsanana “Afrobasket 2025” hatao any Le Caire Egypte ity, hamaritana izay ho tafakatra amin’ny dingana manaraka.
Mi.Raz