Ambohimanarina : mpamaky trano roa lahy tra-tehaka

Voasambotry ny polisy ny mpamaky trano roa lahy tao Antanety avaratra Ambohimanarina, omaly. Nitsofoka mangingina tao amina tokantrano iray anatin’io fokontany io izy roa lahy. Tsikaritry ny vaomieran’ny fandriampahalemana izy mirahalahy ireo tamin’ny 2 ora maraina . Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ilay nanatri-maso. Tratra teo am-pikonon­kononana handroba ilay tokantrano tokoa izy mirahalahy. Nentin’ny mpitandro filaminana natao famotorana ireto mpamaky trano ireto. Hatolotra ny fampanoavana aorian’izay. Tsy nisy ny entana azon’izy roa lahy ireo. Efa malaza ratsy amin’ ny famakiana trano eny amin’ny manodidina ireto mpanga­latra ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: