«Amitié Mozika Evangélique Awards» : ho fankasitrahana ireo mpanakanto ara-pilazantsara

Ampirisihina ihany koa hanolotra ny kanto sy ny meva ireo mpivoy ny hira ara-pilazantsara. Antom-pisian’ny « Amitié Mozika Evangélique Awards » izany. Iza ny ho mpanakanto ara-pilazantsara be mpankafy ?

Hiditra amin’ny andiany faha-5 amin’ity ny « Amitié Mozika Evan­géli­que Awards ». Araka ny anarany, natao handrisihana sy hankasitrahana ireo mpanakanto mivoy ny hira ara-pilazantsara, tamin’ny zava-bitany nandritra ny taona nivalona izany. Fotoan-dehibe, tsy ho an’ny mpanakanto ihany, fa ho an’ireo rehetra misehatra manodidina ny hira ara-pilazantsara izy ity. Hoton­tosaina ny alakamisy 29 febroary izao ny lanonana makotrokotroka, hanolorana ireo mari-pankasitrahana. Ha­tao ao amin’ny PK 0 Soarano, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
Sokajy maromaro no nalahatry ny Amitié TV, izay mpikarakara, tamin’ity andiany fahadimy ity. Ireo mpanakanto sy ny sanganasany izay hita fa nisongadina sy niavaka tamin’ny lafiny hira, feon-kira, rakitsary, fampisehoana, sns, no notsongaina hisafidianana isan-tsokajy. Miisa 13 ny so­kajy, ahitana ny « Urban évangélique 2023 », « Slow évangélique 2023 », « Bagasy 2023 », « Gospel 2023 », « Col­laboration et duo 2023 », Chorale de l’année 2023 », « Variété évangélique 2023 », « Découverte évangélique 2023 », « Adoration – Prai­se », « Show live évangélique 2023 », « Fiderana mafana 2023 », « Mihetsika Afro Beat 2023 », « Praise en live – adaptation- interprétation ».
Tsiahivina fa efa nifarana omaly ny fisafidianana ho an’ireo mpankafy, tao amin’ny pejy Facebook an’ny « Amitié Mozika Evangélique Awards ». Manana isa iray isaky ny kaonty Facebook iray ireo nisafidy, isaky ny sokajy. An’ireo mpankafy rahateo ny 80 isan-jaton’ny safidy isan-tsokajy. Natokana ho an’ireo mpitsara nofantenana manokana kosa ny 20 isan-jato. Hiara-hidinika sy hanapaka amin’ny anjarany ireo mpitsara ahitana an’i Xavier Ratrema (filohan’ny vondron’ny mpanakanto ara-pilazantsara), Zo Randriamihaja (teknisianin’ny onjampeo), Rolland Randria­ma­lala (teknisianin’ny onjampeo), Jonathan Rasamiony (Manager Amitié Tv) ary i Coach Fidy Rabeharisoa.

Zo ny Aina

Partager sur: