Breeanna Elliott: misy aretina sarotra tsaboina nefa sitran’ny raokandro

Mifototra amin’ny tantaran’ny siansa sy ny fitsaboana eto Madagasikara ny fikarohana ataon’i Breeanna Elliott. Nilaza izy fa maro ny tombontsoa azo amin’ny fitsaboana nentim-pahara­zana ary misy ny karazan’aretina tsy hitan’ny siantifika.

Mpianatra mpikaroka ao amin’ny Yale Uni­versity any New Haven, CT i Breeanna Elliott. Mpahay tantara sy mpanao asa fikarohana mifantoka amin’ny fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara izy.
“Tena misy tombony ny fitsaboana nentim-paharazana, indrindra amina aretina sarotra tsaboina”, hoy ity mpikaroka ity. Misy soka­jin’aretina sitran’ny zavamaniry amin’ny ala­lan’ny fahaizan’ny mpitsabo sy ny ombiasy… Misy karazan’aretina tsy hitan’ny scanner any amin’ny hopitaly kanefa sitran’ny zavamaniry manokana avy amin’ny Malagasy mpitsabo.
Maro ny tombony ho an’ny fampiasana ny zavamaniry saingy mitaky fifehezana tsara izany arakaraka ny traikefan’ny mpitsabo mampiasa azy.
Tsy maintsy jerena anefa ny fomba fam­piasana io zavamaniry io mba tsy ho lasa
aretin-kafa indray rehefa mihoatra ny fatra ampiasaina. Tsy hivadihany ho poizina hanapotika ny vatana indray. Tokony hanaraka ny toromarika lazain’ny mpitsabo ireo manaraka izany fitsaboana amin’ny alalan’ny zavamaniry izany.

Ny tantara sy ny siansa fitsaboana

Fianarana ny fomba fanaovana sy fisai­nana momba ny asa siantifika sy ny fahasalamana no ataon’i Breeanna Elliott. Tsy mitovy ny siansa sy ny fanasitranana amin’ny toerana rehetra. Tsy mitovy ny hevitra taloha sy ny fihevitra ankehitriny mahakasika ny fitsaboana nentim-paharazana.
Miova foana ny fomba fitsaboana araka­raka ny firenena sy ny olona ary ny fotoana sy ny tantara.
Maro ny fanafody vita amin’ny zavamaniry ary betsaka ny mpikaroka avy any ivelany sy eto an-toerana mitrandraka ny zavamaniry sy ny zavamananaina ho lasa fitsaboana.
Manana ny loharanom-pahalalana ireo mpikaroka sy olon-tsotra ary ombiasy mahakasika ny zavamaniry entina hitsaboana.
Tsy vitsy anefa ny mpikaroka sy ny doko­tera taloha, na vahiny io na Malagasy, nahazo vaovao sy antontan-kevitra manan-danja momba ny zavamaniry eto Mada­gasikara ho fanafody ary mbola trandrahina mandraka ankehitriny izany. Ny sasany niantehitra tamin’ny fifandraisany tamin’ny razana. Ny hafa kosa niezaka nikaroka ny vokatra simika…
Miara-miasa amina Malagasy i Breeana ary mifantoka betsaka any amin’ny faritra Sofia, Mandritsara, ny fikarohana ataony. Efa nandalo tany Mahajanga sy Morondava nanao fikarohana ihany koa izy satria misy zavatra mitovitovy amin’ireo faritra ireo.
Mifantoka amin’ny tantaran’ny Sakalava sy ny Tsimihety saingy tsy maintsy mampitaha ny fitsaboana nentim-paharazana any amin’ny faritra maromaro.
Hivoaka afaka roa taona ny boky vokatry ny fikarohana ataon’i Breeanna Elliott. Heverina hampisokatra kokoa ny fitsaboana nentim-paharazana ny fivoahan’izany.

Tatiana A

Partager sur: