Certificat Pix: 118 mianadahy nisitraka mari-pankasitrahana

Tanora 118 mianadahy, mpi­anatra, mpampianatra mpikaroka ary mpandraharaha ao amin’ny oniversiten’i Fiana­rantsoa no nahavita fiofanana sy afaka tamin’ny fanadinana, izay ahazoana ny certificat PIX. Notolorana ny mari-pankasitrahana izy ireo, tamin’ity herinandro ity.
Manan-kery eo sehatra iraisam-pirenena ny ceryificat Pix. Ny oniverisiten’i Fianaran­tsoa no be mpandray anjara indrindra ka namoaka mari-pahaizana maro amin’ireo ivontoerana manokana nahazo fankatoavana amin ‘izany.
Ny sehatra ara-kajy mirindra frantsay (Plateforme nu­mé­rique française) dia ahafahana mampitombo sy manamarina ny fahaizan’ny olona eo amin’ ny sehatry ny niomerika.
Tanjon’ny oniversite ny hamokatra tanora vanona sy vonona ary sangany amin’ny fahaiza-manao.
Ny 13 sy 14 febroary teo no nanatanterahana ny fanadinana ho an’ireo mpandray anjara rehetra. Marihina fa iray amin’ireo tolotra ara-piofa­nana ao amin’ny Cref, ao amin’ny oniversiten’i Fiana­rantsoa ny Certificat Pix.

Tatiana A

Partager sur: