Conférence des parties-COP 11: handray ny fihaonambe i Madagasikara

Hotanterahina eto Antana­narivo, ny 10 ka hatramin’ny 16 jona ny « Conférences des parties » (COP11) de la convention de Nairobi, andiany faha-11. Filohan’ny biraon’ny convention nanomboka ny taona 2022 hatramin’ity taona 2024 ity i Madagasikara ka hampiantrano izao fivoriambe iraisam-pirenena izao. Ha­songadina mandritra io fotoana io ny ezaka ataon’ny fanjakana mahakasika ny fiarovana sy ny fampandrosoana ny harena voajanahary an-dranomasina sy amorontsiraka. Hamafisina ihany koa ny politika iraisam-pirenena mifandray amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina, mifanindran-dalana amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga.
Handray anjara amin’ny COP 11, mandritra ny enina andro eto an-drenivohitra ireo masoivoho sy minisitra misahana ny tontolo iainana avy amin’ny firenena maro, toa an’i Afrika Atsimo, Mozambi­ka, Tanzanie, Kenya, Soma­lie, Comores, Seychelles, Mau­rice ary La Réunion. Ao koa ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa. Handray an-tanana ny fikarakarana ny fivoriana ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy sy ny sekretaria misahanaa ny fifanarahan’i Nairobi ary ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny tontolo iainana (PNUE). Tombony ho an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana ny fihaonambe toy izao.

Henintsoa H.

Partager sur: